2 Samuel 19:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hovonoina va eto amin’ny Israely anio? Moa tsy fantatro va fa izaho no mpanjakan’ny Israely anio?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Davida: «Moa manan-draharaha aminareo va aho, ry zanak’i Sarvià, no milatsaka ho mpanohitra ahy ianareo anio? amin’ity andro ity ve ka hisy olona hovonoina eto amin’i Israely? Moa tsy fantatro va fa tonga mpanjaka amin’i Israely aho anio?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Davida hoe: –Tsy raharahanareo izany, ry zanakalahin’i Tseroià. Fa ahoana moa no anoheranareo ahy ankehitriny? Tsy tokony hisy olona hatao maty eto amin’i Israely anio, satria fantatro fa amin’izao andro izao no tena mpanjakan’i Israely aho.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin'ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan'ny Isiraely anio?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hovonoina va eto amin’ny Israely anio? Moa tsy fantatro va fa izaho no mpanjakan’ny Israely anio?
malagasy