2 Samuel 19:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ny mpanjaka tompoko; nefa ianao dia nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’izay mihinana amin’ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ny mpanjaka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taranak’ikaky rehetra dia efa olona mendrika hovonoina avokoa eo anatrehan’ny mpanjaka tompoko, nefa kosa dia noraisinao ho isan’ireo mihinana amin’ny latabatrao ny mpanomponao, ka nahoana indray no mbola hahazoako mitaraina amin’ny mpanjaka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona mendrika ny ho faty avokoa ny fianakavian-draiko teo anatrehanao, kanefa ianao nandray ahy mpanomponao ho isan’ny mpiray latabatra aminao. Koa zo inona indray no mbola ananako hangatahana tombontsoa hafa aminao?
Malagasy Bible 1865
Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ny mpanjaka tompoko; nefa ianao dia nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’izay mihinana amin’ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ny mpanjaka?
malagasy