2 Samuel 19:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fandresena tamin’iny andro iny dia tonga fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra, satria ren’ny vahoaka tamin’io andro io ny filazana hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niova ho fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandresena tamin’izany andro izany, satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izay andro izany fa hoe: Malahelo mafy noho ny amin’ny zanany, ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niova ho fisaonana ho an’ny tafika manontolo tamin’io andro io ny fandresena, satria tamin’io no nandrenesany fa nalahelo mafy ny zanany ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fandresena tamin’iny andro iny dia tonga fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra, satria ren’ny vahoaka tamin’io andro io ny filazana hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
malagasy
Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.