2 Samuel 19:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Barizilay dia lehilahy antitra, efa valopolo taona; nanome hanina ny mpanjaka izy raha nitoetra tany Mahanaima ny mpanjaka; fa mpanankarem-be tokoa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa antitra dia antitra i Berzelaia, fa efa valopolo taona izy, ary nanatitra hanina ho an’ny mpanjaka, fony izy nitoetra tao Mahanaîma fa lehilahy nanan-karena fatratra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lahy antitra efa valopolo taona i Barzilay; mpanankarena izy ka nanome sakafo ny mpanjaka izay nisitaka tany Mahanaîma.
Malagasy Bible 1865
Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Barizilay dia lehilahy antitra, efa valopolo taona; nanome hanina ny mpanjaka izy raha nitoetra tany Mahanaima ny mpanjaka; fa mpanankarem-be tokoa izy.
malagasy
Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.