2 Samuel 19:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nita an’i Jordana ny vahoaka rehetra. Nony tafita ny mpanjaka dia norohany i Barizilay sady notsofiny rano. Dia lasa nody ho any amin’ny fonenany i Barizilay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafita an’i Jordany ny vahoaka rehetra dia nita koa ny mpanjaka, ary nanoroka sy nitso-drano an’i Berzelaia ny mpanjaka, ka dia niverina nody tany aminy izy io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nita an’i Jôrdàna ny vahoaka rehetra, rehefa tafita ny mpanjaka; dia norohan’i Davida sy notsofiny rano i Barzilay, vao lasa nody any amin’ny fonenany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nita an’i Jordana ny vahoaka rehetra. Nony tafita ny mpanjaka dia norohany i Barizilay sady notsofiny rano. Dia lasa nody ho any amin’ny fonenany i Barizilay.
malagasy
Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.