2 Samuel 19:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly ny lehilahin’ny Israely ny lehilahin’ny Joda rehetra hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; koa ahoana no mahatezitra anareo amin’izany? Nandany ny harenan’ny mpanjaka va izahay sa nanome zavatra anay akory va izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ka nanao tamin’ny lehilahy amin’i Israely hoe: «Satria havako akaiky ahy kokoa ny mpanjaka, ka ahoana no mahatezitra anao amin’izany? Moa ny fananan’ny mpanjaka va no nivelomako na nandray zavatra taminy akory aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namaly ny lehilahy israelita kosa ny lehilahy jodeanina rehetra ka nanao hoe: –Satria havana akaiky aminay ny mpanjaka! Koa ahoana no mahatezitra anareo amin’izany? Mba nihinan-javatra avy tamin’ny mpanjaka va izahay? Na mba nanome zavatra anay akory va izy?
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy? Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly ny lehilahin’ny Israely ny lehilahin’ny Joda rehetra hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; koa ahoana no mahatezitra anareo amin’izany? Nandany ny harenan’ny mpanjaka va izahay sa nanome zavatra anay akory va izy?
malagasy
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.