2 Samuel 19:44 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namaly ny lehilahin’ny Joda kosa ny lehilahin’ny Israely hoe: Izahay dia manana anjaram-polo amin’ny mpanjaka; eny, izahay dia manana an’i Davida mihoatra noho ianareo; koa nahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo fa hampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ny lehilahin’ny Joda dia mahery kokoa noho ny tenin’ny lehilahin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny lehilahy amin’i Israely namaly ny lehilahy amin’i Jodà: «Anjaram-polo no ahy amin’ny mpanjaka; eny manam-be noho ianao aho amin’i Davida; ka ahoana no nanaovanao tsinontsinona ahy? Tsy izaho va no niteny voalohany hanangana indray ny mpanjakako?» Fa mafy noho ny an’ny lehilahy amin’i Israely ny tenin’ny lehilahy amin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray ny lehilahy israelita tamin’ireo lehilahy jodeanina: –Impolo heny amin’ny anareo ny zonay amin’ny mpanjaka; eny, manana anjara mihoatra noho ianareo amin’i Davida izahay. Koa nahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny voalohany hamerina ny mpanjakanay! Fa lozaloza kokoa noho ny tenin’ireo israelita ny an’ireo lehilahy jodeanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namaly ny lehilahin’ny Joda kosa ny lehilahin’ny Israely hoe: Izahay dia manana anjaram-polo amin’ny mpanjaka; eny, izahay dia manana an’i Davida mihoatra noho ianareo; koa nahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo fa hampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ny lehilahin’ny Joda dia mahery kokoa noho ny tenin’ny lehilahin’ny Israely.
malagasy
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.