2 Samuel 19:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niditra tao amin’ny mpanjaka tao an-trano i Joaba ka niteny hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao sy ny ain’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ary ny ain’ny vadinao sy ny vady tsindranonao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Saforanao henatra anio ny tavan’ny mpanomponao rehetra, izay namonjy ny ainao androany, sy ny ain-janakao lahy sy zanakao vavy, ny aim-badinao ary ny aim-baditsindranonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe: –Norakofanao henatra androany ny miaramilanao rehetra izay namonjy aina anao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy ary ny vadinao sy ny vaditsindranonao.
Malagasy Bible 1865
Ary niditra tao amin'ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain'ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niditra tao amin’ny mpanjaka tao an-trano i Joaba ka niteny hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao sy ny ain’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ary ny ain’ny vadinao sy ny vady tsindranonao;
malagasy