2 Samuel 19:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona i Absaloma ka izahay rehetra no maty androany dia izany no sitrakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny nankahala anao no tianao, fa ny tianao no halanao, satria ahariharinao amin’izao fa samy tsinontsinona aminao na manamboninahitra na mpanompo; hitako izao fa raha i Absalôma no velona ary izahay rehetra kosa no maty, amin’izao andro izao, dia izany no soa eo imasonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mankahala anao manko no tianao, fa ny mitia anao kosa halanao. Nasehonao androany ny mahatsinontsinona eo anatrehanao ny manamboninahitra sy ny miaramila. Eny, fantatro izao fa raha i Absalôma no velona teo ary izahay rehetra kosa no maty, dia ho faly tokoa ianao.
Malagasy Bible 1865
fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona i Absaloma ka izahay rehetra no maty androany dia izany no sitrakao.
malagasy