2 Samuel 19:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitsangàna ankehitriny ka mivoaha ny trano ary manaova teny fampaherezana amin’ny mpanomponao; fa mianiana amin’NY TOMPO aho fa raha tsy mivoaka ianao dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; koa izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mitsangàna, ary mivoaha ka mitenena araka ny fon’ny mpanomponao, fa mianiana amin’i Iaveh aho fa raha tsy mivoaka ianao dia tsy hisy olona hitoetra eto aminao anio alina, na dia iray aza, ary ho loza mafy aminao izany noho ny loza rehetra nanjò anao, hatramin’ny fahatanoranao ka mandraka ankehitriny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry andriamanjaka ô, mitsangana re ianao ankehitriny, dia mandehana ampaherezo ny fon’ny miaramilanao; raha tsy mankany kosa ianao, dia ianianako amin’ny anaran’ny TOMPO ianao fa tsy hisy olona hitoetra eto aminao intsony anio alina; ary dia ho ratsy lavitra izany noho izay loza rehetra efa nanjo anao hatramin’ny fahatanoranao ka mandraka ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitsangàna ankehitriny ka mivoaha ny trano ary manaova teny fampaherezana amin’ny mpanomponao; fa mianiana amin’NY TOMPO aho fa raha tsy mivoaka ianao dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; koa izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
malagasy