2 Samuel 19:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka ny trano ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ny vahoaka rehetra hoe: Indro, mijanona eo am-bavahady ny mpanjaka. Ary nankeo anatrehan’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra. Samy efa lasa nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nampandrenesina ny vahoaka rehetra fa hoe: «Indro ny mpanjaka fa mipetraka eo am-bavahady.» Dia nankeo anatrehan’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra. Nandositra i Israely samy nankao an-dainy avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nambara tamin’ny miaramila fa mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka; koa dia nitangorona teo amin’ny mpanjaka izy rehetra. Efa nandositra nody tany an-tranony avy ny Israelitan’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka ny trano ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ny vahoaka rehetra hoe: Indro, mijanona eo am-bavahady ny mpanjaka. Ary nankeo anatrehan’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra. Samy efa lasa nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely.
malagasy
Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka. [Ny nodian'i Davida indray] Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.