2 Samuel 2:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nanontany NY TOMPO i Davida hoe: Hiakatra ho any amin’ny tanana iray any Joda va aho? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara! Hoy i Davida: Aiza no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany dia nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hiakatra any amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Jodà va aho?» Dia hoy ny navalin’i Iaveh azy: «Miakara.» Hoy i Davida: «Aiza no hiakarako?» Ary i Iaveh namaly hoe: «Any Hebrôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: –Handeha ho any amin’ny tanàna iray any Joda ve aho? Ka novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: –Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: –Any Hebrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nanontany NY TOMPO i Davida hoe: Hiakatra ho any amin’ny tanana iray any Joda* va aho? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara! Hoy i Davida: Aiza no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
malagasy
[Ny nanjakan'i Davida tamin'ny Joda, sy ny nanjakan'Isboseta tamin'ny Isiraely, ary ny niadian'izy roa tonta tao Gibeona] Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.