2 Samuel 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy nifampisavika izy rehetra sady nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ny sabatra dia niara-niankarapoka; koa izany no nanaovana izany toerana ao Gibeona izany hoe Helkata-Hazorima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy nisavika ny tandrifiny tamin’ny lohany izy ireo, dia nanindrona ny lanivoan’ny namany tamin’ny sabatra ka indray niankarapoka. Ary natao hoe Helkat-Hatsorima ny anaran’io toerana io, any Gabaôna izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nifampihazon-doha avy ny mpifaninana sady nifanindron-tehezana tamin’ny sabatra ka dia samy niara-davo. Izany no nanaovana io toerana ao Gibehôna io hoe Sahan-tsaba-maranitra.
Malagasy Bible 1865
Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy nifampisavika izy rehetra sady nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ny sabatra dia niara-niankarapoka; koa izany no nanaovana izany toerana ao Gibeona izany hoe Helkata-Hazorima.
malagasy
Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.[Helkata-hazorima = Tamin'ny sabatra maranitra]