2 Samuel 2:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; zatovo iray no sambory ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Abnera taminy: «Mivilia amin’ny ankavanana, na amin’ny ankavia, ka ny iray amin’ireny tovolahy ireny samborina ka entina ny babo aminy.» Tsy nety nivily hiala aminy anefa i Asaela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Abinera taminy: –Aza manenjika ahy ianao, fa mivilia amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia ka sambory ny iray amin’ireo tovolahy ary alaivo ho anao izay fitaovana eny aminy. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; zatovo iray no sambory ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.
malagasy