2 Samuel 2:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy nety nivily ihany izy ka nasian’i Abnera ny vodilefona ny kibony dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona ka niankarapoka teo izy ary maty niaraka tamin’izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ilay niankarapohan’i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy nety nivily i Asaela. Tamin’izay dia nasian’i Abnera tamin’ny antse-defona ny kibony, ary niboroaka tamin’ny lamosiny ny lefona, ka nitsingidina teo, maty teo no ho eo izy. Niato avokoa izay rehetra tonga teo amin’ny toerana nahalavoany sy nahafatesan’i Asaela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola tsy nety nivily ihany anefa i Asahela, koa dia nasian’i Abinera tamin’ny vody lefona ny kibony ka tafagorobaka tany an-damosiny. Nitrosina tamin’ny tany izy ary maty tsy tra-drano teo. Izay rehetra tonga teo amin’ny toerana nahafatesan’i Asahela dia nijanona avokoa.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy nety nivily ihany izy ka nasian’i Abnera ny vodilefona ny kibony dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona ka niankarapoka teo izy ary maty niaraka tamin’izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ilay niankarapohan’i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
malagasy