2 Samuel 2:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso an’i Joaba i Abnera hoe: Dia handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Mandra-pahoviana no tsy hampivereninao tsy hanenjika ny rahalahiny ny olona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niantso an’i Jôaba, i Abnera ka nanao hoe: «Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Hiandry mandra-pahoviana ianao vao hilaza amin’ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niantso mafy an’i Jôaba i Abinera hoe: –Handripaka tsy hisy farany ve ny sabatra? Tsy mba fantatrao ve fa hampalahelo ny ho vokatr’izany? Koa mandra-pahoviana no hilazanao ny olonao hampitsahatra izao fanenjehana ifamonoan’ny mpirahalahy izao?
Malagasy Bible 1865
Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso an’i Joaba i Abnera hoe: Dia handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Mandra-pahoviana no tsy hampivereninao tsy hanenjika ny rahalahiny ny olona?
malagasy
Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?