2 Samuel 2:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana i Abnera sy ny olony dia nita an’i Jordana sy namakivaky an’i Bitirona manontolo ka tonga tao Mahanaima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Abnera sy ny olony, nony nandeha nandritra ny alina tamin’ny Tany lemaka dia nita an’i Jordany ary namaky an’i Bitrona tontolo, dia tonga tany Mahanaîma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny alina dia nitety ny lemak’i Arabà i Abinera sy ny olony ka nita an’i Jôrdàna, namaky an’i Bitrôna iray manontolo ary tonga tao Mahanaîma.
Malagasy Bible 1865
Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana i Abnera sy ny olony dia nita an’i Jordana sy namakivaky an’i Bitirona manontolo ka tonga tao Mahanaima.
malagasy
Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.[Heb. Arabà]