2 Samuel 2:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niverina avy nanenjika an’i Abnera i Joaba dia novoriny ny olona rehetra; sivy amby folo lahy ihany mbamin’i Asahela no tsy teo ny mpanompon’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jôaba kosa nitsahatra tsy nanenjika an’i Abnera, fa namory ny vahoaka rehetra; 19 lahy tamin’ny mpanompon’i Davida ary i Asaela no latsaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nijanona tsy nanenjika an’i Abinera i Jôaba, dia namory ny tafiny manontolo; koa tamin’ireo mpanompon’i Davida, dia miaramila 19 sy Asahela ihany no tsy teo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niverina avy nanenjika an’i Abnera i Joaba dia novoriny ny olona rehetra; sivy amby folo lahy ihany mbamin’i Asahela no tsy teo ny mpanompon’i Davida.
malagasy
Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida.