2 Samuel 2:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka hankany amin’ny mponina any Jabesy-Gileada i Davida hilaza aminy hoe: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia nandefa iraka ho any amin’ny olona any Jabesa any Galaada i Davida hilaza aminy hoe: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo, noho ny nanefanareo izany adidim-pitiavana izany amin’i Saola tomponareo, dia tamin’ny nandevenanareo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nandefa iraka hankany amin’ny mponin’i Jabesa izy hilaza hoe: « Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin’ny nandevenanareo an’i Saoly tomponareo izao.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka hankany amin’ny mponina any Jabesy-Gileada i Davida hilaza aminy hoe: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy.
malagasy
Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.