2 Samuel 20:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, i Seba no anarany, zanak’i Bikry benjaminita; nitsoka ny anjomara izy sady niantsoantso hoe: Isika dia tsy manana anjara amin’i Davida na lova amin’ny zanak’i Jese! Samia mody any amin’ny tranolainy avy, ry Israely ô!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy olon’i Beliala anankiray kosa teo, atao hoe Sebà zanak’i Bokrì, Benjaminita, ka nitsoka anjomara io dia nanao hoe: «Tsy manana anjara amin’i Davida isika, tsy manana lova miaraka amin’ny zanak’i Jese, ka samia mody any an-dainy avy, ry Israely ô!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nisy olona tena ratsy fanahy teo natao hoe Sebà, zanakalahin’i Bikrỳ sady Benjaminita. Nitsoka anjomara izy sady nanao hoe: –Tsy manana anjara amin’i Davida isika ary tsy misy zavatra iombonantsika amin’io zanakalahin’i Jisay io! Samia mody any amin’ny fonenany avy, ry Israelita ô!
Malagasy Bible 1865
Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak'i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin'i Davida na lova amin'ny zanak'i Jese; samia mody any amin'ny lainy avy, ry Isiraely ô.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, i Seba no anarany, zanak’i Bikry benjaminita; nitsoka ny anjomara izy sady niantsoantso hoe: Isika dia tsy manana anjara amin’i Davida na lova amin’ny zanak’i Jese! Samia mody any amin’ny tranolainy avy, ry Israely ô!
malagasy