2 Samuel 20:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa ka nasiany tamin’ny kibony dia nivaroraka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony izy, fa matiny tamin’izay ihany. Ary nanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry i Joaba sy i Abisay rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Jôaba i Amasà, kanjo nasiany tamin’ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin’ny tany; tsy nasiany fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nahatandrina ny sabatra izay noraisin’ny tanan-kavian’i Jôaba anefa i Hamasà; kanjo nasian’i Jôaba tamin’ny kibony izy, ka nivaroraka tamin’ny tany ny tsinainy. Ary matin’izany izy, fa tsy nasian’i Jôaba fanindroany akory. Dia lasa i Jôaba sy i Abisay mirahalahy nanenjika an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ.
Malagasy Bible 1865
Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa ka nasiany tamin’ny kibony dia nivaroraka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony izy, fa matiny tamin’izay ihany. Ary nanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry i Joaba sy i Abisay rahalahiny.
malagasy