2 Samuel 20:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nihosin-dra teo anaty lalambe i Amasa ka nony hitan-dRalehilahy fa nijanona ny olona rehetra dia nafindrany niala teo amin’ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’i Amasa ary nosaronany lamba, satria hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Amasà izany nihosinkosina tamin’ny rany teo afovoan’ny lalana teo. Nony hitan-dralehilahy fa nijanona ny olon-drehetra dia nesoriny teo an-dalambe i Amasà nataony tany an-tsaha, sady nosaronany kapaoty, satria hitany fa izay tonga teo anilany nijanona avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany i Hamasà dia nihosin-dra teo afovoan-dalana. Rehefa hitan’ilay miaramila fa nijanona ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin’ny lalana ny fatin’i Hamasà ka notarihiny ho any an-tsaha sy norakofany lamba, satria tsikariny fa izay rehetra tonga teo aminy dia nijanona avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nihosin-dra teo anaty lalambe i Amasa ka nony hitan-dRalehilahy fa nijanona ny olona rehetra dia nafindrany niala teo amin’ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’i Amasa ary nosaronany lamba, satria hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
malagasy