2 Samuel 20:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano azy teo Abela-Bety-Maka, ary nanandratra tovon-tany teo anilan’ny tanàna izy ka teo ivelany manolotra ny manda no niankinany; ary ny olona izay nomba an’i Joaba dia namely ny manda mba handrava azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano an’i Sebà tao Abela-Bety-Maakà. Nanandratra tovon-tany hamely ny tanàna izy ka nahatratra ny manda izany, ka samy niezaka hanjera ny manda ny vahoaka rehetra nomba an’i Jôaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga kosa ry i Jôaba nanao fahirano an’i Sebà tao Abela-Bety-Mahakà, ary nanangana tovon-tany mitovy haavo amin’ny manda ivelan’ny tanàna. Dia nanomboka nandrava ny manda ny tafika manontolo izay niaraka tamin’i Jôaba mba handrodana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano azy teo Abela-Bety-Maka, ary nanandratra tovon-tany teo anilan’ny tanàna izy ka teo ivelany manolotra ny manda no niankinany; ary ny olona izay nomba an’i Joaba dia namely ny manda mba handrava azy.
malagasy