2 Samuel 20:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e! Miangavy anareo aho, lazao amin’i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nisy vehivavy hendry anankiray niantso avy ao an-tanàna hoe: «Mihainoa, mba mihainoa kely é! Ilazao kely i Jôaba ataovy hoe: Manatòna eto, fa te hiresaka aminao aho!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nisy vehivavy hendry niantsoantso avy tao an-tanàna nanao hoe: –Henoy! Henoy kely e! Mba lazao i Jôaba hanatona etỳ fa te hiresaka aminy aho.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e! Miangavy anareo aho, lazao amin’i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao!
malagasy
Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.