2 Samuel 20:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho dia isan’ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ny Israely, fa ianao kosa dia mitady handrava renivohitra eto amin’ny Israely. Koa ahoana no hamongoranao ny lovan’NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho dia anankiray amin’ny tanàna tia fihavanana sy mahatoky eto amin’i Israely. Fa ianao kosa mitady handrava tanàna izay reny amin’i Israely. Ka ahoana ange no handravanao ny lovan’i Iaveh?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amiko dia anisan’ny tia fihavanana sy mahatoky indrindra amin’i Israely ny mponina eto; kanefa dia tadiavinao ho ravana ity tanàna anisan’ny lehibe amin’i Israely ity. Nahoana no holevoninao ny fananan’ny TOMPO?
Malagasy Bible 1865
Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho dia isan’ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ny Israely, fa ianao kosa dia mitady handrava renivohitra eto amin’ny Israely. Koa ahoana no hamongoranao ny lovan’NY TOMPO?
malagasy
Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?