2 Samuel 20:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia samy niara-nandao an’i Davida ny lehilahin’ny Israely ka nanaraka an’i Seba, zanak’i Bikry; fa ny lehilahin’ny Joda no nifikitra tamin’ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandao an’i Davida avokoa ny lehilahy amin’i Israely, ka nanaraka an’i Sebà zanak’i Bokrì. Fa ny lehilahy amin’i Jodà ihany no nifikitra tamin’ny mpanjaka, hatrany Jordany ka hatrany Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandao an’i Davida avokoa ny lehilahy israelita avaratra, ka nanaraka an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ. Fa ny lehilahy jodeanina kosa nifikitra tamin’ny mpanjakany ihany, ka tafaraka taminy hatreo Jôrdàna ka hatrany Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia samy niara-nandao an’i Davida ny lehilahin’ny Israely ka nanaraka an’i Seba, zanak’i Bikry; fa ny lehilahin’ny Joda* no nifikitra tamin’ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
malagasy
Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.