2 Samuel 20:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy izany tsy akory. Fa misy lehilahy avy amin’ny tany be havoana any Efraima, Seba no anarany, zanak’i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy; dia hiala amin’ny tanàna aho. Ary hoy Ravehivavy tamin’i Joaba: Indro, ny lohany dia hatsipy any aminao any ambadiky ny manda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa misy lehilahy anankiray atao hoe Sebà, zanak’i Bokrì, avy amin’ny tendrombohitra Efraîma nanainga tanana hikomy amin’i Davida; ka io ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ny tanàna aho.» Ary hoy ravehivavy tamin’i Jôaba: «Indro hatsipy aminao hihoatra ny manda ny lohany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy izany mihitsy, fa misy lehilahy iray avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, atao hoe Sebà zanakalahin’i Bikrỳ izay efa nikomy hamely an’i Davida mpanjaka. Izy ihany no atolory ahy dia hiala amin’ny tanàna aho. Dia hoy ravehivavy tamin’i Jôaba: –Ao àry fa hatsipinay aminao ankoatra ny manda ny lohany.
Malagasy Bible 1865
Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany, zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy izany tsy akory. Fa misy lehilahy avy amin’ny tany be havoana any Efraima, Seba no anarany, zanak’i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy; dia hiala amin’ny tanàna aho. Ary hoy Ravehivavy tamin’i Joaba: Indro, ny lohany dia hatsipy any aminao any ambadiky ny manda.
malagasy