2 Samuel 20:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa nanatona ny vahoaka Ravehivavy ka nanome azy izany torohevitra feno fahendrena izany. Dia notapahin’ireo ny lohan’i Seba, zanak’i Bikry, ka natsipiny teny amin’i Joaba. Ary nitsoka ny anjomara i Joaba ka niala tamin’ny tanàna samy ho any amin’ny tranolainy avy ny olona. Ary niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka i Joaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona ny vahoaka rehetra ravehivavy sy niteny taminy tamim-pahendrena, ka notapahin’izy ireo ny lohan’i Sebà, zanak’i Bokrì, natsipiny tany amin’i Jôaba. Ary nasain’i Jôaba notsofina kosa ny anjomara, ka ny olona rehetra moa niala tamin’ny tanàna, samy nody any aminy avy; i Jôaba kosa niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nikabarian-dravehivavy tamim-pahendrena avokoa ny mpiray tanàna, dia notapahina ny lohan’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ ka natsipy teny amin’i Jôaba. Notsofin’i Jôaba ny anjomara, dia tsy nanao fahirano ny tanàna intsony ny miaramilany ary samy namonjy ny fonenany avy. I Jôaba kosa mbola niverina tany Jerosalema ho eo amin’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin'ny tanàna ny olona samy ho any amin'ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa nanatona ny vahoaka Ravehivavy ka nanome azy izany torohevitra feno fahendrena izany. Dia notapahin’ireo ny lohan’i Seba, zanak’i Bikry, ka natsipiny teny amin’i Joaba. Ary nitsoka ny anjomara i Joaba ka niala tamin’ny tanàna samy ho any amin’ny tranolainy avy ny olona. Ary niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka i Joaba.
malagasy