2 Samuel 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka dia nalainy ny vady tsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanambady intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nody tao an-tranony tao Jerosalema i Davida ary nalain’ny mpanjaka ny vaditsindranony folo, izay napetrany hiandry trano, ka nataony teo amin’ny trano anankiray nasiana fiambenana. Niantohany ny fiveloman’ireo, nefa tsy nandeha taminy intsony izy, ka voahiboka mandra-pahafaty izy ireo, dia nitoetra nanano-tena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka, dia naka ireo vaditsindrano folo izay najanony hiandry ny trano, ka nametraka azy tamin’ny trano iray tsara ambina. Nokojakojainy sy novelominy izy ireo saingy tsy niraisany intsony. Nahibony tao mandra-pahafatiny ireo, ka tonga mpitondratena velom-bady.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka dia nalainy ny vady tsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanambady intsony.
malagasy