2 Samuel 20:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’i Abisay: Ankehitriny izao dia i Seba, zanak’i Bikry, no ahitantsika loza mihoatra noho i Absaloma; koa ento ny mpanompon’ny tomponao ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Davida tamin’i Abisaia: «I Sebà zanak’i Bokrì izao no hampidi-doza amintsika, mihoatra noho i Absalôma. Koa ento ny mpanompon’ny tomponao, dia enjeho iny, fandrao dia mahazo tanàna mimanda eo ihany izy, ka tsy ho hitan’ny masontsika intsony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Davida tamin’i Abisay: –Ankehitriny dia efa mampidi-doza antsika mihoatra noho i Absalôma i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ. Koa ento ny miaramila mpiambina ahy, dia enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda, ka ho dify ny masontsika.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’i Abisay: Ankehitriny izao dia i Seba, zanak’i Bikry, no ahitantsika loza mihoatra noho i Absaloma; koa ento ny mpanompon’ny tomponao ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
malagasy