2 Samuel 20:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga hanenjika azy ny olon’i Joaba mbamin’ny Keretita sy ny Peletita ary ny lehilahy mahery rehetra; nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka an’i Abisaia dia niainga koa ny olon’ny Jôaba, ny Keretianina sy ny Feletianina ary ny lehilahy mahery rehetra nivoaka teo Jerosalema hanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivoaka an’i Jerosalema nanaraka an’i Abisay koa ny olon’i Jôaba sy ny Keretita ary ny Peletita, izany hoe ny kalaza rehetra, ka nanenjika an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga hanenjika azy ny olon’i Joaba mbamin’ny Keretita sy ny Peletita ary ny lehilahy mahery rehetra; nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’i Seba, zanak’i Bikry.
malagasy
Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.[Heb. Keretita sy Peletita]