2 Samuel 20:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao amin’ilay vato lehibe tao Gibeona izy dia avy i Amasa nitsena azy. Niakanjo fanamiana fitondra miady i Joaba ka nafehy azy teo an-tsikinany ny fehikibony mbamin’ny trano-tsabany; ary nony nandeha izy dia latsaka ny sabatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby teo akaikin’ilay vato lehibe ao Gabaôna izy ireo, dia inty i Amasà tonga teo anoloan’izy ireo. Niakanjo ny akanjo tonîka i Jôaba ary eo ambonin’ny tonîka dia nisy sabatra anankiray anaty tranony, nifehy teo am-balahany. Nony nandroso izy dia latsaka ilay sabatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo amin’ilay vato lehibe tao Gibehôna kosa ireo, dia avy nitsena azy i Hamasà. Tamin’izay ny nanaovan’i Jôaba dia ny akanjo miaramila nisy ilay fehikibo nihanton’ny sabatra mbamin’ny tranony; ka nony nandroso izy, dia latsaka ilay sabatra.
Malagasy Bible 1865
Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao amin’ilay vato lehibe tao Gibeona izy dia avy i Amasa nitsena azy. Niakanjo fanamiana fitondra miady i Joaba ka nafehy azy teo an-tsikinany ny fehikibony mbamin’ny trano-tsabany; ary nony nandeha izy dia latsaka ny sabatra.
malagasy