2 Samuel 21:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy mosary nandritra ny telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida, ary nanontany tamin’NY TOMPO i Davida ka hoy NY TOMPO: Avy amin’ny taranak’i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-dra izao, satria namono ny Gibeonita izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andron’i Davida nisy mosary naharitra telo taona nifanesy. Ka nanontany ny Tavan’i Iaveh i Davida ary hoy i Iaveh: «Avy amin’i Saola sy ny ankohonany, avy amin’ny ra izao; fa namono ny Gabaônita izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: –Avy amin’i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehônita.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin 'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy mosary nandritra ny telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida, ary nanontany tamin’NY TOMPO i Davida ka hoy NY TOMPO: Avy amin’ny taranak’i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-dra izao, satria namono ny Gibeonita izy.
malagasy
[Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan']