2 Samuel 21:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka lamba fisaonana i Rizpa, zanakavavin’i Aia; novelariny teo amin’ny vatolampy mba hitoerany hatramin’ny fiandohan’ny taom-pijinjana izany ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ny faty. Tsy navelany hipetrahan’ny voromanidina ireo raha antoandro, na ny bibidia raha alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain-dResfà zanak’i Aià kosa ny lasàka anankiray ka novelariny teo ambony vato mba ho azy, dia teo izy hatramin’ny fiandohan’ny fijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ireo faty, ka nisakana ny vorona any an-danitra tsy hipetraka aminy raha antoandro, sy ny biby eny an-tsaha raha alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naka ny lamba gony fisaonana i Ritsepà zanakavavin’i Aià, ka novelariny teo ambony vatolampy; dia nitoetra teo izy nanomboka tamin’ny fiandoham-pijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ireo faty ireo. Tsy navelany hipetrahan’ny voromanidina teo aminy tamin’ny antoandro; ny bibidia kosa no tsy navelany hankeo tamin’ny alina.
Malagasy Bible 1865
Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka lamba fisaonana i Rizpa, zanakavavin’i Aia; novelariny teo amin’ny vatolampy mba hitoerany hatramin’ny fiandohan’ny taom-pijinjana izany ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ny faty. Tsy navelany hipetrahan’ny voromanidina ireo raha antoandro, na ny bibidia raha alina.
malagasy