2 Samuel 21:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taolan’i Saoly sy i Jonatana zanany dia nalevin’ny olona tao amin’ny tanin’ny Benjamina tao Zela, tao amin’ny fasan’i Kisy rainy; notanterahiny avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka. Koa rehefa vita izany dia neken’Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalevina tany Selà, amin’ny fasan’i Kisa rain’i Saola, any amin’ny tanin’i Benjamina ny taolan’i Saola sy ny an’i Jônatasy zanany, ary nataon’ny olona avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ka nony vita izany, dia nionona ny hatezeran’Andriamanitra amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalevin’ny olona tany amin’ny tanin’i Benjamîna, tao Tsela, tao amin’ny fasan’i Kisy rain’i Saoly ireo taolambalo rehetra ireo; ary vitany avokoa izay nandidian’ny mpanjaka. Rehefa izany, vao nanambina ny tany Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny taolan’i Saoly sy i Jonatana zanany dia nalevin’ny olona tao amin’ny tanin’ny Benjamina tao Zela, tao amin’ny fasan’i Kisy rainy; notanterahiny avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka. Koa rehefa vita izany dia neken’Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ny tany.
malagasy