2 Samuel 21:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niady indray ny Filistina sy ny Israely; ary nidina i Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy ka niady tamin’ny Filistina. Nahatsiaro reraka i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy adin’ny Filistinina sy i Israely indray, ary mba nidina niaraka tamin’ny mpanompony i Davida ary niady tamin’ny Filistinina izy ireo; kanjo trotraka i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nipoaka indray ny ady teo amin’ny Filistinina sy ny Israelita. Dia nidina nanafika ny Filistinina i Davida sy ireo miaramila niaraka taminy; ary nahatsiaro reraka i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niady indray ny Filistina sy ny Israely; ary nidina i Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy ka niady tamin’ny Filistina. Nahatsiaro reraka i Davida.
malagasy
[Ny herim-pon'ny mpiadin'i Davida raha niady tamin'ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida.