2 Samuel 21:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Jisby-Benoba izay isan’ny taranaky ny Refaìta, dia nanana lefona varahina milanja telonjato sekela; nitondra fiadiana vaovao izy ka nikasa hahafaty an’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà - ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy - dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nihevitra ny hahafaty an’i Davida i Jisby-Benôba isan’ny taranak’i Harafà, izay nanana lohan-defona halimo milanja telo kilao mahery sy fiadiana vaovao.
Malagasy Bible 1865
Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Jisby-Benoba izay isan’ny taranaky ny Refaìta, dia nanana lefona varahina milanja telonjato sekela; nitondra fiadiana vaovao izy ka nikasa hahafaty an’i Davida.
malagasy
Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida.