2 Samuel 21:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namonjy an’i Davida kosa i Abisay, zanak’i Zeroia, ka namely ilay Filistina ary nahafaty azy. Tamin’izay ny olon’i Davida dia nianiana taminy ka niteny hoe: Tsy hiara-mandeha aminay ho amin’ny ady intsony ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tonga namonjy an’i Davida kosa i Abisaia zanak’i Sarvià, ka namono nahafaty an’ilay Filistinina. Nanaovan’ny olon’i Davida fianianana izy tamin’izay, ka nataony hoe: «Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony ianao, ka tsy hamono ny fanilon’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tonga nanampy azy i Abisay zanakalahin’i Tseroià ka namely ary nahafaty an’ilay Filistinina. Tamin’izay ireo olon’i Davida dia nianiana taminy hoe: «Tsy hiara-miainga aminay intsony ianao ho amin’ny ady, mba tsy hamonoanao ho faty ny fahazavan’i Israely.»
Malagasy Bible 1865
Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namonjy an’i Davida kosa i Abisay, zanak’i Zeroia, ka namely ilay Filistina ary nahafaty azy. Tamin’izay ny olon’i Davida dia nianiana taminy ka niteny hoe: Tsy hiara-mandeha aminay ho amin’ny ady intsony ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ny Israely.
malagasy