2 Samuel 21:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy ady tamin’ny Filistina indray koa tao Goba, ary namono an’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona, i Elanana, zanak’i Jare-Oregima betlehemita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola nisy ady tamin’ny Filistinina koa tao Gôba, ary i Elkanàna, zanak’i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an’i Gôliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, hoatra ny voditenon’ny mpanenona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nisy ady hafa tao Gôba, ary tamin’izay i Elehanàna zanakalahin’i Jahiry-Ôregima sady avy any Betlehema, no namono ho faty an’i Gôliata avy any Gata, izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy ady tamin’ny Filistina indray koa tao Goba, ary namono an’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona, i Elanana, zanak’i Jare-Oregima betlehemita.
malagasy
Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5]