2 Samuel 21:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampiantso ny Gibeonita ny mpanjaka ka niteny taminy. Ny Gibeonita dia tsy mba isan’ny Zanak’Israely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Israely dia efa nianiana taminy, nefa nitady izay hamelezany azy i Saoly tamin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Israely sy ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampaka ny Gabaônita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: «Tsy mba isan’ny zanak’i Israely ny Gabaônita, fa avy amin’ny sisan’ny Amôreana. Efa nifanaiky tamin’izy ireo tamim-pianianana ny zanak’i Israely, nefa nitady izay hamelezana azy i Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak’i Israely sy i Jodà.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampiantso ny Gibehônita ny mpanjaka mba hiresahany. Ny Gibehônita moa tsy mba isan’ny Israelita, fa sisa tsy maty tamin’ny Amôrita. Efa nianiana taminy manko ny Israelita fa tsy haninona azy; nefa i Saoly, noho ny fitiavany an’i Israely sy i Joda, dia nitady hamongotra azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampiantso ny Gibeonita ny mpanjaka ka niteny taminy. Ny Gibeonita dia tsy mba isan’ny Zanak’Israely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Israely dia efa nianiana taminy, nefa nitady izay hamelezany azy i Saoly tamin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Israely sy ny Joda*.
malagasy
Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda),