2 Samuel 21:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy ady koa tao Gata. Nisy lehilahy vaventy izay enin-drantsana ka efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ary izy io koa dia teraky ny Refaìta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy ady koa indray tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy goavam-be anankiray, ka samy enina avy ny rantsan-tananay sy ny rantsan-tongony, dia efatra amby roapolo ny tontaliny; tarana-dRafà koa izy io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mbola nisy ady koa tany Gata; ary tao dia nisy olona raindahiny nanana rantsan-tanana enina sy rantsan-tongotra enina, izany hoe efatra amby roapolo no fitambarany. Ilehio koa dia taranak’i Harafà.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy ady koa tao Gata. Nisy lehilahy vaventy izay enin-drantsana ka efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ary izy io koa dia teraky ny Refaìta.
malagasy
Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.