2 Samuel 21:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia natolony teo an-tanan’ny Gibeonita ireo ka nosamatsamahin’ireo teo amin’ny havoana teo anatrehan’NY TOMPO; ary niara-maty izy fito lahy, samy novonoiny tamin’ny niandohan’ny fararano, tamin’ny fiandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibehônita izy fito lahy ka nahanton’ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan’ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin’ny fiandohan’ny vaninandro fijinjana ôrza.
Malagasy Bible 1865
dia natolony teo an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia natolony teo an-tanan’ny Gibeonita ireo ka nosamatsamahin’ireo teo amin’ny havoana teo anatrehan’NY TOMPO; ary niara-maty izy fito lahy, samy novonoiny tamin’ny niandohan’ny fararano, tamin’ny fiandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha.
malagasy