2 Samuel 22:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao izao hira izao ho an’NY TOMPO i Davida tamin’ny andro namonjen’NY TOMPO azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no tenin’ny tononkira nataon’i Davida tamin’i Iaveh tamin’ny andro namonjen’i Iaveh azy, tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra sy tamin’ny tanan’i Saola.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao izao tononkira izao ho an’ny TOMPO i Davida tamin’ny andro izay nanafahany azy tamin’ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao izao hira izao ho an’NY TOMPO i Davida tamin’ny andro namonjen’NY TOMPO azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly.
malagasy
[Hira fisaorana nataon'i Davida noho ny nandreseny ny fahavalony rehetra] Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,