2 Samuel 22:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitro vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako sy tandroka famonjena ahy Izy ary fiarovana avo ho ahy sy toeram-pandosirako; ry Mpamonjy ahy, manafaka ahy amin’ny fampahoriana Ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra no vatolampiko izay ahitako fialofana. Izy no ampingako sy tandrom-pamonjena ahy, toerana avo fandosirako sy fialofako. Ry Mpamonjiko ô, Ianao no nahafaka ahy tamin’ny fahasiahana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no Andriamanitro sy vatolampy ialofako, ampinga fiarovana sy herim-pandresena ho ahy. Sady toeram-pamaharana fandosirako Izy, no mpamonjy mahafaka ahy amin’ny fampahoriana.
Malagasy Bible 1865
Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitro vatolampiko, Izy no ialofako, ampingako sy tandroka* famonjena ahy Izy ary fiarovana avo ho ahy sy toeram-pandosirako; ry Mpamonjy ahy, manafaka ahy amin’ny fampahoriana Ianao.
malagasy
Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.