2 Samuel 22:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fitoeran’ny maty, nanoloana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny fatoran’ny fonenan’ny maty efa nahasingotra ahy, ny haratom-podiamandry efa nalatsaka teo anatrehako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toy ny fatotra ahodidina ahy ny toeran’ny maty, toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.
Malagasy Bible 1865
Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fitoeran’ny maty*, nanoloana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
malagasy
Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb. Sheola]