2 Samuel 22:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary ny fitarainako dia tonga eo an-tsofiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho ary nandefa fitarainana nankany amin’ny Andriamanitro, ka reny tao an-tempoliny ny feoko tonga tao an-tsofiny ny fitarainako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an- Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko.
Malagasy Bible 1865
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary ny fitarainako dia tonga eo an-tsofiny.
malagasy
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.