2 Samuel 23:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no teny farany nataon’i Davida: Hoy i Davida, zanak’i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakoba sady mpanao hira mahafinaritra ho an’ny Israely:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no fara tenin’i Davida: «Zava-marina nambaran’i Davida zanak’i Isaia, tenin’ilay lehilahy mipetraka amin’ny toerana ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakôba, ilay mpanao hiran’i Israely mahatehotia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida: Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay, dia teny hentitry ny lehilahy izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba mba ho voasandratra ho mpanjaka sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:
Malagasy Bible 1865
Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no teny farany nataon’i Davida: Hoy i Davida, zanak’i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakoba sady mpanao hira mahafinaritra ho an’ny Israely:
malagasy
[Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc]