2 Samuel 23:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy no nitsangana ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ny tanany ka efa niraikitra tamin’ny sabatra. Ary NY TOMPO nanao famonjena lehibe tamin’io andro io. Ny haka babo ihany no sisa niverenan’ny olona hanaraka an’i Eleazara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa niakatra nihemotra kosa ny lehilahy amin’i Israely. Nitsangana namely ny Filistinina izy mandra-pahavizan’ny tanany, sy efa nihidy velona tamin’ny sabatra. Nanao famonjen-dehibe i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nandroso indray nanaraka an’i Eleazara ny vahoaka fa tsy nanao afa-tsy ny manangona ny zavatra babo izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa i Elehazàra kosa niaritra ka namely ny Filistinina mandra-pahavizan’ny tanany nihazona mafy ny sabany. Fandresena miezinezina no nataon’ny TOMPO tamin’izay andro izay. Niverina nanjohy an’i Elehazàra haka ny fiadian’ireo maty no sisa nataon’ny tafika israelita.
Malagasy Bible 1865
dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy no nitsangana ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ny tanany ka efa niraikitra tamin’ny sabatra. Ary NY TOMPO nanao famonjena lehibe tamin’io andro io. Ny haka babo ihany no sisa niverenan’ny olona hanaraka an’i Eleazara.
malagasy