2 Samuel 23:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nilaza ny faniriany i Davida hoe: Iza re no mba hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady e!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanam-paniriana i Davida, ka nanao hoe: «Iza no mba hampisotro ahy ny rano avy amin’ny famorian-drano ao am-bavahadin’i Betlehema?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?
Malagasy Bible 1865
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nilaza ny faniriany i Davida hoe: Iza re no mba hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady e!
malagasy
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!