2 Samuel 23:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina ireo telo lahy mahery fo ka nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay, dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ireto lehilahy mahery telo lahy, ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano ao am-bavahadin’i Betlehema; dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro i Davida fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, fa hoy izy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niroatra namakivaky ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy ireto, ka nanovo rano tamin’ilay fantsakana teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema, ary nentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida, fa nanolotra izany ho an’ny TOMPO kosa ho fanatitra araraka,
Malagasy Bible 1865
Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina ireo telo lahy mahery fo ka nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO iny.
malagasy